tovovavy mistery - njaf
Azo vakiana?
zovyloatra moa ianao
ry tovovavy mistery
no nambabo izato foko
sy nahasarika fijery
zato endrika sy bika
tsaratefy sy voakaly
noravahan'ito maso
boribory baribary
zato molotrao manify
sy ilay fandaingana kely
noravahao tsiky
moa va re ka tsy anjely
teo dia resinao ny foko
ka voasarika ny hanantona
mba hilaza ny toloko
sy hampiseho zay rehetra takona
Dia indro nolazaiko anao
ny hetahetako rehetra
sy izay tao am-poko tao
ny ho tia anao tsy misy fetra
njaf 09/12/06
Sokajy :
Aingam-panahy, Fitiavana
Hevitra mandeha
aiinah (18/11/2015 11:59:30)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : njaf
Nampiditra : njafDaty : 11/12/2006
Mpamangy : 1617
Mankafy : 3
Tononkalo hafa
AZA ...tohizo ny lalana
NA INONA
Nisy
mpinamana
Mahagaga fa
aloka niserana
hanina anareo
fitia tsy ankiteny
ireny rehetra ireny