LOKO FOTSY (njaf)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Halako ho'aho ny loko fotsy
fa atsiarovako ilay
olon-tiako fahizay
fotsifotsy fihodirana
izay namotsifotsy ahy
dia izay no nankahalako
ilay loko fotsifotsy
zary loko tsy manaja
sy toa loko alan-tasy
sy mitory faharesena
sady lokon-tsy fisiana

Fa taty aoriana kely
tamin'izay andro izay
andro fampakaranay
no nampiverina indray
ny fitiavako lay loko
ka ilay loko izay tsy tiako
no lasa lokom-pifaliako
sy lasa lokom-pahasambarako
nosaloran'olon-tiako
dia teo no tsapako fa hay
tsy mitovy velively
ity loko 'ty sy ilay fahizay
fa ity ilay lokom-pahadiovana
lavitry ny fahalovana
fa ity ilay lokom-pahendrena
izay nanjary fandresena
nampandresy ny fitiavako

njaf 27/11/06
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1855 1
Mpakafy: fiononako2
Hevitra mandeha
njafah ( 29/11/2006 15:45)
njafah ihany e!mahay manoratra a!mankahery e
njaf ( 30/11/2006 06:35)
misaotra e, ilay nampidirinao farany koa anie tsy ratsy e, fa ny mahagaga ahy dia ataonao ilay Leo mitia reny foana ilay izy fa mba asio tononkalo ho an'ny hafa ilay vao hitia ireny mba hahafatarany fa tsy ny ratsy ihany rehefa tia fa mba misy tsara koa. sa ahoana ?
fiononako2 ( 18/10/2017 06:27)
hafa mihitsy ny haingam-panahinao saingy tsarovy anefa anie fa rehefa tsy mifanaraka @ fihevitrao ny an'ny hafa dia mifanohitra foana izay, fa angamba fotsy koa ny tao anatiny tao: ho nadio tanteraka, na koa foana tsy nieritreritra n'inon'inona fa mba voakapoka tao amin'ny farahatony ka zary fery sy fanaintainana ho @ fiainany manontolo
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : njaf
Nampiditra : njaf
Daty : 28/11/2006 07:31
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147