REHEFA TIA - njaf
Azo vakiana?
Rehefa tia sakaiza
tsy hijerena hoe hatraiza
ny lala-mbola ho diavina
tsy hikajiana hoe
ohatrinona no mbola ho tadiavina
tsy hanasiana fetra
ny andro sy ora itiavana
tsy itsitsiana hery
na iandaniana havana
fa fo mitempo iray
saina mifandray
miaraka mitia
izany no fitia
ekeko ho fy tia
Sokajy :
Aingam-panahy
Hevitra mandeha
aiinah (18/11/2015 12:00:03)
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : njaf
Nampiditra : njafDaty : 27/11/2006
Mpamangy : 1602
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
AZA ...tohizo ny lalana
NA INONA
Nisy
mpinamana
Mahagaga fa
aloka niserana
hanina anareo
fitia tsy ankiteny
tovovavy mistery