TSY IALAHY - njaf
Azo vakiana?
Tsy ialahy no andrasany eo
ka aza gaga ialahy
raha tsy valiany akory
fa raha ny fahatsapany ?
ialahy mijoro eo io
toa rahona manakona
ny anjara masoandrony
toa bozaka amin'ny masony
manakona ny jeriny
toa zavatra manasy
manimba izato haingony
toa fofona manempotra
manimba ny tontolony
ka raha izaho ialahy
izaho aho dia mandeha
fa ny azy ny ao an-tsainy
sary hafa mihitsy
ka raha izaho ialahy
dieny tsy voaratra
dia aleo mitady hafa
njaf
atolotra ho an'ilay bandy mikoty sipa efa miandry olona ireny.
Sokajy :
Aingam-panahy, Eritreritra mandalo
Mombamomba
Mpanoratra : njaf
Nampiditra : njafDaty : 27/11/2006
Mpamangy : 1375
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
AZA ...tohizo ny lalana
NA INONA
Nisy
mpinamana
Mahagaga fa
aloka niserana
hanina anareo
fitia tsy ankiteny
tovovavy mistery