You are here: home > Vetso

vato atsindry hazana - njaf

Azo vakiana?

Fony ianao nijaly
nantsoinao foana foana aho
hiezaka hampifaly
dia indro aho fa namaly

fony ianao fa ory
dia mbola teny foana aho
nanala sorisory
sy hampahita tory

fony ianoa tomany
dia teo akaiky foana aho
niezaka hanontany
sy mba nananihany

dia teny foana isika
niezaka ho sariaka
mba entina hanafoana
ny olana anoloana

fa nony faly ianao
izaho toa tsy hitanao
fa takona tsy tazana
toa vato atsindry hazana

Sokajy : Fiainana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : njaf

Nampiditra : njaf
Daty : 21/09/2006
Mpamangy : 760
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

AZA ...
tohizo ny lalana
NA INONA
Nisy
mpinamana
Mahagaga fa
aloka niserana
hanina anareo
fitia tsy ankiteny
tovovavy mistery