ANJARAM-PAHORIAKO (Njakahery ANDRIAMALALA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANJARAM-PAHORIAKONY ampaham-pahoriana izay tsy maintsy mba ho anjarako,
No indro toa mavesatra ka mila tsy ho zakako,
Nefa io natolotrao mba ho anjaram-pahoriako,
Tsy ho azoko andosirana, na mafaitra iafiako.
io no ampaham-pahoriana anjarako eto an-tany,
Manaikitra ahy anio ka mandrotsaka tomany,
io no sedra izay tsy maintsy ho lalovako ety,
Sedram-pahoriana ka mankarary ery,
io no rahona nanakona ny anjara-masoandroko,
io no rahona nanarona ny fahazavam-piainako,
io no rivotra nandrodana ny kely mba natsangako,
io no bitsika nangina, namoha ny fitarainako
Eny efa haiko fa raha mbola eto an-tany,
Tsy maintsy misy fahoriana fa tsy hafaliana ihany,
io no fahoriana voarakitra ho fiainako,
Manonja dia manonja, ka anio mba hitarainako.
Nefa kosa tena ekeko fa io no tena anjarako,
Voafaritra mazava hanefy ny androm-piainako,
Lahatra ao ambony, nahoana moa no tsy hekeko?
io no anjaram-pahoriako, raha maratra aho misento.
Njakahery ANDRIAMALALA
(14 Février 2026, 21h 18')
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALANampiditra : Njakahery
Daty : 16/02/2026 10:20
