IZAHO ILAY TENA TIA ANAO (Njakahery ANDRIAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAHO ILAY TENA TIA ANAO

Faniriako hatr'izay fony vao nahita anao,
Tena babonao tanteraka ary eny hatramin'izao,
Tsy mba tazanao akory fa nihafihafy teny,
Tsarovy hatrany hatrany, f'izaho ilay tena tia anao.

Nandeha teny ny ora, niroso ny fotoana,
Ianao tsy mety hadino, ka tsaroana dia tsaroana,
Niseho ny elanelana toa nampizara antsika,
Toa tsy mba ho tanteraka hoy ny ato anatiko nibitsika,

Te hanandrana hamboraka ny ato anatiko aminao,
Nefa niahotra tanteraka ny hilavinao fandrao,
Hamelona alahelo ka handratra ny ato am-poko
Ndrao dia velona tomany, sy hamoha ireo toloko

Nony ela nandinihana ka tapakevitra ihany,
Handeha hamboraka aminao na dia teo aza izany,
Kanjo indrisy re rahavako fa mialatsiny hoy ianao,
Naleoko koa nangina nefa izaho mantsy ilay tena tia anao

Nivadika ny andro ka nigadona ny volana,
Nitomby teny hatrany ny sorisory sy ny olana,
Tsy vita ny hamafa sy hanadino anao satria
Izaho ilay tena tia anao,

Indray andro aho no ankona, gina tsy nahateny,
Raha toa ka nahatazana anao an-tratrany eny,
Hay ny anao nofy hafa ka tsy mba hitanao,
Ny ventsoventsom-poko ilay tena tia anao

Dia tazako eny foana ilay tsikinao fa ravo,
Miaina eo anilany tena sambatra aok'izany,
Fa dia niafina aminao,
F'izaho ilay tena tia anao

Dia odiko toa mitsiky ireny hasambaranao,
Fa ny any anatiko any dia toloko sy tomany,
Ataoko ahoana ny hanadino?
Tsy vitako satria, izaho ilay tena tia anao

Ka na iza hampifaly sy hampitsiky anao,
Ka hanolotra fitiavana izay tena maminao,
Sahiko eto ny milaza,
F'izaho ilay tena tia anao

Ny fotoana tsy nitsahanandroso ka nigadona ny taona,
Akory ny hagagako fa ny tontolo toa niova loko,
Fa dia nanao akory no dia injao sahady,
Eee, raha mba tsapanao mantsy f'izaho ilay tena tia anao

Ianao ilay malahelo fa toa hoe noratrainy,
Hay ny fitiavana hoy ianao dia tena feno fitaka,
Ny tsy tsapanao anefa,
Izaho ilay tena tia anao

Koa tsarovy hatrany hatrany,
Na mitsiky ianao na mitomany,
Ny ahy iray ihany,
Izaho ilay tena tia anao

N'iza n'iza hiseho hilaza,
Fa hoe mitia anao,
Izao foana no tsarovy,
Izaho ilay tena tia anao

Na iza izy avy any antsimo,
Na iza izy avy any andrefana,
Na iza izy avy any avaratra,
Na iza izy any antsinana ka hilaza aminao hoe tia tena tia,
Sahiko ny milaza f'izaho ilay tena tia anao

Ito soratro eto anio,
No handeha hanaporofo,
Izany rehetra izany satria,
Izaho ilay tena tia anao

Ho faranako ny hafatro,
Sao mantsy lava loatra,
Fa ny teniko eto farany,
Izaho ilay tena tia anao

Njakahery ANDRIAMALALA
16 Août 2026
(14 H 27 min)
--------
Rohy:
20 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALA
Nampiditra : Njakahery
Daty : 16/08/2026 11:34
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114