NY FANANTENAKO (Njakahery ANDRIAMALALA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FANANTENAKO

Efa hatrany anaty kibo,
No indro efa nijoro,
Eny na dia tsy tsaroako,
Ny fisiany tamin'izany

Na niezahana nalavo,
Eny nianjera tokoa,
Indraindray dia toa nalazo,
Niarina foana na voa

Nokasaina ho fongorina,
Dia nitondra izay tsy zaka,
Saingy tena tsara orina,
Teo foana fa tsy rava

Namely ny tafiodrivotra,
Nanaloka ny raho-mainty,
Ny tebiteby nampangovitra,
Ny alahelo toa tsy tanty

Nifoha foana na natory,
Niarina foana na potraka,
Nifaly foana na dia ory,
Ny sentosento no nanotraka

Izao ankehitriny izao,
No tsaroako fa mafana,
Tsy nitsaha-nihanavao,
Ny akon'ny fanantenana

Izay rehetra mbola hiseho,
Tsy hamparefo intsony akory,
Ny hakiviana aleo hatreo,
Ny fanantenako tsy hatory

Ary manantena foana,
Na ho tsiky na tomany,
Na hisesy ny fotoana,
Na hatrany amparany any.
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
130 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0118