HIVERINA AMINAO (Njakahery ANDRIAMALALA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HIVERINA AMINAO Ray ô,
Efa tsapako hatrin'ny ela fa nodiako toa tsy rè,
Ianao ilay mandondona, ny hoe ny hiverenako, izaho ilay mody tsy mandrè,
Ilay antsonao mangina, mibitsika ao antsainko, izay manambitamby,
Ianao ilay teo foana, tsy nandao mihintsy sy mbola sasamiandry.
Teo foana ianao nanitsy, rehefa iny aho solafaka amin'ny lalana tsy izy,
Nampitsiky, nampitraka, rehefa ory sy tomany raha sendra ny mangidy,
Indraindray toa tsisy intsony, ilay fanantenako, ary tena efa kivy,
Ianao anilako eny foana, mitantana hatrany, mampifaly mampitsiky.
F'izaho mantsy rehefa ory dia omeko anao ny tsiny,
Hoe miangatra ny fiainana, nahoana aho nariany?
F'izay fitsapana niseho tamiko rehetra, nandritra izay lasa izay,
Nitarika ahy handao anao, fa toa mafy loatra mantsy ary tena mahamay
Fa kosa, rehefa iny aho no faly, tsy tsaroako akory ianao,
Tsy haiko akory anefa hoe avy taiza izany, fa dia faly aloha izao,
Fa hay irony zava-mahafinaritra, tena mahatalanjona nefa kosa feno fitaka,
Fa raha azoko izay niriko, dia io no ifaliako, fa tsy mba haiko ny mankasitraka
Dia anio aho mitaraina fa toa lalina ny fiainako,
Hay raha lavitra ahy ianao, dia tsy mba misy akory ny mandrè ny fitarainako,
Anio vao tena tsapako ny zavatra rehetra tianao haseho tamiko,
Izay navelako nandalo, navelako niserana, e!..... tena nolaviko.
F'izay fotoana ela izay, niainako tanteraka ny hoe lavitra anao,
No tena nahatsapako fa hay aho ho very raha tsy ny fitantananao,
Tsaroako loatra mantsy, fa hay izaho nania, ka anio aho no hiverina,
Efa trotrakin'ny fiainana, resin'ny hetraketraka, ka izao aho manenina.
Manomboka ny anio, efa fantatro tokoa, fa tsy misy mahavita afa tsy ianao irery,
Mandefitra, manitsy, manarina, mampianatra ahy tsy ho very,
Fa izay nahalavo, sy nahapotraka ahy, tsy hahazo ahy intsony,
Ny alahelo, ratram-po, hirifiry nampijaly, teo ianao nampitony
Njakahery ANDRIAMALALA
(05 Février 2026)
--------
Rohy:
Sokajy :
Vavaka
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Njakahery ANDRIAMALALANampiditra : Njakahery
Daty : 05/02/2026 09:20
