Adinonao ve ? (Njarakelly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola azo antsoina hoe mpifankatia ve isika ankehitriny?
Tsapako mantsy fa niova ianao, ary toa adinonao ireo fahiny,
Tamintsika nifandao aza moa tsy nisy oroka, na toky voalaza,
Eny fa na dia hoe mandrapihaona ihany aza.

Fa inona no nanjo antsika?
Ilay fiativana niredareda,toa lasa zary mangatsiaka,
Miangavy, mba valio aho ry tiako,
Fa mila tsy ho zakako raha izany fijaliako.

Adinonao ve irony lokaloka, toky sy nofinofy mamy
Sa ve izy ireny dia antendromolotra ihany?
Fantaro anefa fa raha ny fitiavako anao,
Tsy mbola nihena hatramin’izay ka hatramin’izao.
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
1480 0
Hevitra mandeha
dano ( 28/05/2013 17:26)
tsara e zavatra iainako am zao ko le izy mankasitraka
Njarakelly ( 30/05/2013 06:13)
misaotra é
mitsoa ( 12/06/2013 07:40)
zan ve d ts tsapanao??ftia rano trambo b fiav f mor ritra.makasitrak!
Njarakelly ( 13/06/2013 11:37)
ilay resapitiavana manahirana foana!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njarakelly
Nampiditra : Njarakelly
Daty : 28/05/2013 09:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145