Ny tena tia (Njarakelly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny tena faniriako, any andro iray,
Io ilay olontinao,
milaza fa handao,
satria fotsiny hoe nahita hafa vaovao.

Amin’izay ,
Dia ho tsapanao izay tsapako,
Ary hiainanao izay niainako
tamin'ilay andro iray, izay nandaozanao ahy.


Tsia,…
laingako ihany izany,
Fa na dia betsaka azy ireo tomany,
Narotsako ho anao,
Dia tso-drano no omeko,
Ary ny foko hotereko,
Hirary soa ho anao.

Satria izay tena tia,
Dia mikatsaka ho doria,
Izay hahasambatra an'ilay tiana,
Ka raha ny eo anilany no hahasambatra anao
Dia mandehana,fa izaho hamela, tsy hitana………………



Dia hoy ilay hira izay:
…..ny hasambaranao ry olontiko, eny antsandrin’olonkafa,
Ny hasambaranao no ekeko ho ahy.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - Fitiavana
2134 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njarakelly
Nampiditra : Njarakelly
Daty : 05/04/2013 10:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1782