Tiako loatra ianao (Njarakelly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fiteny fandre sy tena mahazatra ny mpifankatia
Ny hoe “tiako ianao” sy ny hoe “ho mandrakizay doria”
Fa ny ahy kosa rahavako,
teny tsotra ihany no amborahako aminao izato fitiavako:

Fantaro fa ilay fotoana voalohany nahalalako anao,
No namoha ilay fitiavako mbola rendrika sy sondriantory tao
Iny andro iny koa dia ampy nandresy lahatra ahy,
Fa inao no anjarako fa tsy olonkafa intsony.

Tsy haiko ny ampitso, sy izay ho avoakan’ ny ho avy,
Fa ny fitiavako anao kosa hohavaoziko isan’andro.

Ny fiainako tsy misy anao ve? Tsy sahiko sainina akory izany,
Ianao mantsy ilay tsy manan-tsahala,
fa hany tokako eto an-tany.

Ps: Tiako loatra ianao ary fantatro fa tsy hahay hitia olonkafa toy izao itiavako anao izao intsony aho!!!!!!!!!!!!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2545 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njarakelly
Nampiditra : Njarakelly
Daty : 31/05/2013 08:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016