Efa niova ny fahiny (Njarakelly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Endrey re ankehitriny izato ianao,
Fahiny ianao tsy niraharaha izay mba tempo an-tratrako ao,
Ilay fiarahanatsika aza zaranao mihitsy nofaranana,
Satria ianao nahita olombaovao mba ho tiana sy hiatsapazana.

Dia lasa ianao, f’izao tavela irery,toa zaza narian-dray sy reny
Nefa niezaka aho hitraka ka mba sitrana ihany ilay fery,
Nahita ihany koa aho olona iray mendrika hisolo anao,
Ka tapakevitra indray hiaina pejy vaovao.

Ka nony injay ve ianao, voadona tany ho any
Dia hainao ny mifona sy mivalo ary koa miala tsiny?
Aoka anefa ianao tsy hanantena, f’efa niova ny fahiny.

Nony efa eo antratrany ve aho,
Vao mba nahasarika anao?
Ireny aho nitia tamin’ny fo,fanahy sy tenako rehetra,
Nefa dia nasetrinao hetraketraka tsy misy fetra.

Tsy sanatria aho miantso tody na mandatsa,
Fa mba mipetraha eo amin’ny toerako na dia iray minitra ihany aza,
Izaho ilay nitia sy mbola vonona hitia na amin’inona na amin’inona,
Nefa tsy mba nananan’antra fa dia natao tsinontsinona.

"mba mahaiza mitia amin'izay fa aza manao fitiavanjaza"!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1429 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Njarakelly
Nampiditra : Njarakelly
Daty : 14/06/2013 14:10
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0925