You are here: home > Vetso

NATAOKO DAHOLO - NJIVA

Azo vakiana?

        NATAOKO DAHOLO
Nataoko daholo ze azoko natao
Mba Tsy hampahory  fa  hiadananao
Tsy nikely sorika aho tsy nitsitsy aina
Eny fa na de  mafy aza tsy mba nitaraina

Nataoko daholo na mora na sarotra
Ze zavatra hita mba hiadanantsika
Fitiavako anao no mahatonga ahy hiaritra
Sy fiarovana lay fitia tsy hangatsiaka

Nataoko doholo ze ahazona vola
mba hitovizanao @ olon-drehetra
Fitiavako anao no nahatonga ahy ho sola
Noho  ny asa ataoko  tsy misy fetra

Nataoko daholo ‘reo rehetra ‘reo
Satry tiako enao ka tsy tiako hijaly
Niaretako avoko zay zava-niseho
Na latsa ‘zany na teny marary
  
                                Korisam-penin’I : NJIVA

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Iony (04/12/2007 09:49:43)

Njiva an!tena manan-talenta ianao fa tohizo

Mombamomba

Mpanoratra : NJIVA

Nampiditra : bibah
Daty : 31/08/2006
Mpamangy : 4919
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

MAFY
ny fitiavako anao
porofom-pitiavana
Souvenir