Souvenir (NJIVA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Souvenir kely monja
No hatolotro ho anao
Feno fitiavana mafonja
Hoy ilay efa fantatrao

Souvenir tsy mba tsara
Nohatolotro ho anao
Nefa kosa manambara
Ny fitiavako anao

Tsy mba manana homena
Na ny vola na ny harena
Fa ny ahy ny souvenir
Dia ilay andalan-tononkira

Hofaranako ny teniko
Raha toa ka malahelo
Na koa mahatsiahy
Indro misy teny kely
Aza manadino ahy
--------
Rohy:
8225 1
Hevitra mandeha
Malalason ( 25/05/2004 09:37)
hitan'ise tsara ilay tonon-kalo fa tsara kokoa raha natao teny gasy ilay hoe : "Souvenir" oh :
tsiaro kely monja
no hatololotro anao
feno fitiavana mafonja
hoy ilay efa fantatrao
NJIVA
aza atao mahatezitra an'ise fa fanintsiana io fa tsy fanankianana
satria namako ise
R.JO
NYTSIKY ( 07/08/2004 22:17)
Mitovy anarana isika sy ianao saingy ny ahy ovaiko hoe NY TSIKY rehefa asa-soratra no resahina.

Tokony hovainao sy ahitsinao teny gasy izany hoe TSIARO na FAHATSIAROVANA na "SOVENIRA" araka izay mahatsara azy ilay hoe "SOUVENIR".

Mankasitraka



betroka ( 08/08/2004 22:21)
Tsara ity tononkalo ity saingy indro kely hoy ny mpandrafitra :
mavesatra ny gadona satria tsy mifandanja ny andàlana tsirairay avy. Raha raisiko ny ohatra nomen'i Njiva dia toy izao ny volavolan-kevitro :

Tsiaro kely monja
Hatolotro ho anao
Fitiavana mafonja
Hoy ilay fantatrao.

Isao tsara fa mitovy ny isan'ny gadona eto ary ny hevitra tianao ambara dia tsy misy very.
Ilay "no" amin'ny andàlana faharoa dia tsy ilaina eto fa manavesatra. Azo ampiana "ho" eo anoloan'ny "anao" satria azo tononina miaraka ny "...tro ho...".
Nesorina ihany koa ny "feno" amin'ny andàlana fahatelo satria mavesatra kanefa ny mampafonja an'ilay fitiavana dia efa mahalaza azy tanteraka fa tsy ilaina amafisina. Ny "efa" amin'ny andàlana fahefatra koa dia azo esorina. Jereo sy diniho ireo andininy hafa.
Mankasitraka
papozy ( 28/01/2005 22:39)
tena tsara mihintsy ilay tonkalo fa tohiry ry ise
iza efa fantatrao ihany raha matadidy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : NJIVA
Nampiditra : jaory
Daty : 24/05/2004 17:49
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099