Ampidiro aloha ny tenimiafina
SENTO ROA MIRA IRAY (NofenoinaNatiora)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SENTO ROA MIRA IRAY ❤️❤️?❤️?Nisento Aho tam'zany,
Teo am-pankafizana
'reo misinao notiaviko...
Sento tokana iny,
Fa nanambatra 'reo pitsona
Fitia naavohavoko.
❤️?Ka asa angamba re
Raha lasa halan-drivotra
Fa diso avo loatra...
Fa indray nipy ny masoko
Dia tsy teo intsony 'lay fitiavanao
Fa nisy nanao indray mifaoka.
❤️?Ankehitriny anefa,tsy haiko hoe nahoana
Fa tojo namana Aho,
Dia toa anao tsy Hay havahana
Na endrika na toetra ...
Ka nivoaka ho azy tao
Ilay sento tokana faharoa ,
Sento
Nisentoako tamin'ny misinao rehetra.
❤️?Sento roa samy hafa taona
Fa nitovy ny filatsany
Sento iray ihany rehefa notiliana...
Natioran-tsento tsy niniana.
NOFENOINA NATIORA NITSIMOKA
25 AVRILY 2024
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : NofenoinaNatioraNampiditra : NofenoinaNatiora
Daty : 29/01/2026 14:30
