ADY RARINY (nofinofin'ny saina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ADY RARINY!


Raha lalovanao ny aliko
Aza mbola mitaraina
Eo anivon-dranomaso
Fa...
Eto an-tanim-piadina
No anoratako ho anao
Ireo sombin-tsorisoriko
Fa...ny mariko
Ny rariko
Dia lasa mariny
sy rariny
Ary hitsiny ho azy
Saingy....
Izaho tsy hiady
Na hitady
Ireo tokony ho ahy
Aleoko aloha manaiky resy
Eo anivom-piadiana
Fa izao angamba
No efa soratra ho ahy
Mety resy,
fa nisesy
Hanenjika ahy
Teo anivom-piadiana
Ireo lasa fahavalo
Resy teo izato nofo
Adala angamba ny porofo


Nivatravatra, tsy nahatratra
izay mba hitsiny
ho azy
ity foko mora resy
saingy resy
dia voafefy
tsy mba hanameloka azy
ireo molotro kamboty
tsy fahavalo iray sy roa
No....
Namefy ny habakabaka
Nanakipy ny hasambarako
Ilay minitra vitsy monja
toa mafonja
sy voafonja
Ao anaty onjan-drano
izay nataoko hoe: anjara
ka tantara
izay angaha
no mety rariny ho ahy?
Toa mangovitra
ka rovitra
Ireo rivotra
Nandalo ilay voaly
nampandroso
ity sambom-pifaliko
teo an-dranomason-tsiky.


Ny maraina
ny atoandron'
ny vovonana
ka lasa nampitonatonana
ny takarivan'
ny sakaiza
saingy ho aiza
ary hatraiza
ny fahatokisany ahy omaly
Fa....
Toa jaly
sy korantan'
ireo ditsok'alahelo
izay niampy
raho-mainty
ilay zavona anikeo
ka teo dia....
Malomaloka fijery
dia voatery
ny hanaiky izay tsy rariny,
Asa!!!
Rediredy foana ny ahy
raha hitroatra
sy hamoaka
izay mba tena mariko
eto an-tanim-pitolomana
ka ny volana
ilay masosandro faharoa
No...
Hitolopy izay ho hitsiny


Fa ny azy
sy ny aliny
ny valiny
no nasesy ho valiako
hanaiky azy
Eo ambonin'aram-bato
hianjerako
sy ny hatsana
ny fara antsana
nampijabaka ny tongotro
ao anaty vainafo
vain'afom-pijalina
lelan'afom-pahoriana
mahasedra ilay fitia
Satria...
Nampitombo ny fitiavako
ilay nandrarana ahy
tsy hiserana azy akory
Na....
Hibata ny eritreritro
hala eo antratrany eo
tsy mba mba fidiny ho ahy
resy fo ilay fanahy
raha mahita
ka mahavita
miady rariny ho azy
ao anatin'ny tomany
Hoe....
Izaho valio
ka tadidio
Fa... TIAKO IANAO



Raha lalaovanao ny aliko
ny laliko
meety harivo
raha mitahy
ni an'ireo fahavalo
ka mimalo
raha sendra nandalovany
ilay trano bongo kelikko
Fa....
Na....
Na ho avy ny ririniko
ity trano bongo ity
no mahatana
ny hafanana
ny kamboty
fa tsy ingoty
Dia...
Ampy anondraka ity
ity voninkazo dia
izay nalaiko
tany ho any
ilay ando
indray maraina
endrikendrika
nandendrika
Ilay raho-mainty omaly
Toa voazaitra
ka tsy taitra
ilay vitrana
ka sitrana
ilay fery
noratrainy


Fa ilay voninkazo dia
zay nahafeno manontolo
ilay efitrano
mangina
Dia...
Variana
ka sondriana
ka dia fotsy
toa fanala
ireo kintana natolony
raha namakivaky
ny aliko
tsy tsaroiko fa nandalo
tany ho any
indray ramaka
ka tsy zaka
ny fahitana
ny salovany
raha lalovany
ilay marainan'
ny toloko
Fa....
Ny foko
niova loko
teo an-tanim-piadina
niaro azy mba ho ahy
mba ho sahy
hiady ho azy
Tsy hiady ny fahavalo
raha mandalo
Indray monja


NOFINOFIN'NY SAINA
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1439 1
Mpakafy: tojoninofy
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208