SARY AN-TSAINA (nofinofin'ny saina)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SARY AN-TSAINA

Rehefa mandalo miserana ianao,
Lasa haingam-pamindra ny dian'ny foko.
Mahita ny akantonao tsotra toy izao,
Izay vitan'ny saiko sary hosodoko.


Indrindra akipiko ny masoko roa,
De...Tazako foana fa kanto dia kanto.
Dia tombatombanan'ny saiko ihany koa,
Izay feonao toa milantolanto.


Izany ianao ilay mangalam-pijery e...
Modiko tsy hita fa mambabo fo.
De teren'ny foko ny vavako hiteny,
Ny fitiavako anao mitoetra ato am-po.


Rehefa migadona ny alimangina,
Mitamberina an-tsaiko daholo daholo.
Ilay bika sy endrika anao mahavarina,
Saika haiko tsianjery iray manontolo...


Ny tsikinao ko toa indro mamantana,
Ao anatin'ny foko izany rotsirotsiny.
Ianao anefa tsy hitako vatana,
Fa...Sary foronin'ny saiko ao fotsiny.


Dia lasa ny saiko nandinika izany...
Teren'ny fitiavako anao aho satry...
Hay ny fanahy no mihaona any ho any,
Dia nahay nifamboraka fa samy tia.

NOFINOFIN'NY SAINA
--------
Rohy:
155 2
Mpakafy: Lyand2345 - tojoninofy
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : nofinofin'ny saina
Nampiditra : tojoninofy
Daty : 18/12/2023 11:55
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144