SORATY IHANY (nofinofin'ny saina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Soraty ihany na teny kely iray andalana, na teny kely iray monja
Soraty ihany na teny kelim-pamatarana, na teny be sy mafonja
Fa ho valiko foana izany, na teni-siky sy tomany
Na tenin-drediredy ihany dia ho valiko hatrany harany.


Soraty ihany mba hojeren'ireo mpitaza sy efa resin'ny fitiavana
Soraty ihany mba hovakin'ireo mpandalo sy mahery fon'ny tanindrazana
Tsy maninona na hataonao peta-ndrindrina, na ho ho soratana amin'ny tany
Na atao aman-gazety na soratanao mirenty fa hoampitako any ihany.


Soraty ihany na tsy lafatra aza izany fa hoampitako any foana
Soraty ihany fa ateriko any ihany na dia teery aza ny fotoana
Tsy maninona f'izay no efa andrikitra sy adidy izay aampita
Na ho tapenana aza ny vavan'ireo marina,ka hafenina tsy ho hita.


Tsy maninona soraty na sombi-taratasy na koa diary iray
Soraty ihany koa na rangom-penin-dava fa aza manana ahiahy
Soraty tsy mijanona mandram-paharitra ny rano-maintinao
'Ty fitiavan-tanindrazana aza avela mihintsy fa soraty sy dradrao.


Soraty foana foana ho an'ireo taranaka izay mandimby aty aoriana
Soraty dia tehirizo ataovy amin-tankelaka fa aza avela hariana
Soraty ka tsarovy ataovy tsangam-bato ho fahatsiarovana ny ela
Fa nisy tany ho any ireo maheri-fo sy ny maty ankaterena
Dia soraty foana, soraty tsy mijanona


Soraty hiarihary amin'andala- tsoratra ny ratsy sy ny tsara,
Dia aoka ireo mpandalo sy mifandimby dia no hitsara ny tantara
Ataovy tsapan'izy ireo fa ny maaarina akory tsy hangina velively
Fa ny soratra mitoetra mbola vonona ny hilaza sy hovakin'ireo mpijery!


NOFINOFIN'NY SAINA
--------
Rohy:
1139 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104