TAKARIVA! (nofinofin'ny saina)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Takarivan'ireo, izay voafonjaKa gadra tsy hiva ho an'ireo gadra,
Kivy fanahy tsy matohitra onja
Lavo sy resy dia hidradradradra!
Takarivana'ireo, izay manana ny ampy
Fa olo-kanosa raha toa resy lava,
Ory satria nilaozana sampy
Ka fanahy efa resy tsy hahita mazava.
Takarivan'ireo, izay olo-kamboty
Takarivan'ireo ,izay olo-tsy manana,
Takarivan'ireo, izay nilaozana 'ngoty
Takarivan'ireo, izay tsy mba namana.
--------
Rohy:
https://vetso.serasera.org/tonokalo/nofinofinny-saina/takariva
Sokajy :
Alahelo