Ampidiro aloha ny tenimiafina
ISIKA ROA (Np Augustin)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nitabataba aho fa niezaka nangina,Fony ianao mbola nanan' olon-tiana.
Ka na dia babonao aza aho tamin' ireny ;
Dia naleoko nandefitra : tsy hiteniteny,
Tsy hiresadresaka fitiavana izany ,
Fa mba hotazomiko, hokomboniko eny ihany...
Taty aoriana anefa nandeha ny fotoana.
Tsy haiko hoe " nahoana "
Fa nisaraka ianareo,
Ka nanomboka teo,
Dia velom-bolo aho :
Ka nolazaiko amin'izay,
Ilay fitiavako hatrizay.
Kanefa,
Ny valin-teninao toa nampahonena,
Indrisy,
Tsy tafiaraka isika nefa izaho mba nanantena.
05/07/18
--------
Rohy:
Mpakafy:
NpAugust1
