LASA ADALA (Np Augustin)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LASA ADALAMampalahelo ity namako ity ,
Fa lasa adala : voadonam-pitia ,
Ny zava-drehetra tsy misy tsaroany :
Na ny anarako tsy fantany intsony .
Dia tsy vitan' izany,
Fa rehefa mafana iny ny andro ;
Dia avy izy manala akanjo ,
Miboridana eny an-dalam-be ,
Ka dia dia hitam-bahoaka ilay " ady klé " .
Tsy fidiny ho azy anefa izany,
Fa ilay olon-tiany : sombin' ny ainy ;
No nampivika an' izato sainy .
Nanome toky sy nampanantena azy,
Hoe: hifanambady ka hatao mariazy.
Nefa roa andro tsy hahatongavan' ilay daty ,
Nisy namono ity vadiny ka avy dia maty.
Izany tokoa no tsy zakan' Ikiala ,
Ka nahatonga azy ho lasa adala .
17/08/18
--------
Lien:
Catégorie :
Alahelo - Aingam-panahy
Fans:
NpAugust1
