neny a! aza avela hitoman (Ny Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
neny a!
aza avela hitomany sy anaty fijaliana
fa mba omeo anjara amin'ilay tara masoandro
omeo anjara; eny na dia sombim-pifaliana
mba hoentiko miatrika ny tontolo andro

Raha mbola teto mantsy ianao
dia tsy nisy akory ny tomany
raha mba teto ianao fa tsy nandao
ity zanakao tsy mba nijaly

ilay dada mba nantenaina
Nandositra sy nanilika ny tena
Ka aminao aho no hitaraina
Na dia aiko tsikia fa tsy hifanena

kotsa dranomaso ny ondako isak'alina
rakotra alahelo matsiro ny fisinao
neny a! izaho efa manaiky ny hanarina
ao fa tsy hamalivaly intsony aho fa hankatoa anao

ny manodinana rehetra mandatsa ahy
tsy misy azo hianteherana mba ilazana ny manjo
ianao nefa indrisy fa efa an ambany rangolahy
efa nody vovoka ; efa potika sy loa
--------
Rohy:
571 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Aina
Nampiditra : ampiantsoa
Daty : 15/02/2022 07:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0335