AINA NAFINDRA ( ALBUM SANGODINA ) Raphaël Spartacus (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AINA NAFINDRA

Tsy mbola feno heritaona akory
Izao no nahatongavanao,
Kanefa hita sasa-miandry ;
Na i Dada na i Neny...,
Na ireo tsy mbola hitanao ;
Fa hiara-hamakivavy ...;
Izato fiainan-tsarotra
Tsy maintsy ho diavinao .

Sanganehana ny foko
Nangovitra ny tanako.
Raha nandray anao ry Aiko ;
Tsy tanako ny ranomasoko...,
Nibanjina an'ireo mitovy taona ;
Sy hiara-dàlana aminao ,
Mandritra ny androm-piainana
Feno tsiky sy taraina.

Firy taona mantsy izay Nafindra a!
Niady ho an'ny Firenena isika ;
Rà mandriaka sy faty sesehena ,
No namonto indray ny tany
Zaza Malagasy firy ?
No indro lasa kamboty ?!
Satria ny ray sy reniny....;
Maty ho an'ny Tanindrazany .

Aina Nafindra ! miandry anao ny Firenena
Na dia lalan-tsarotra aza izany ,
Hanampy ny herin-tsandrinao...,
Ireo tontolo tsy voabaikon'ny tantara ;
Sy ireo voahosohosin'ireo lazaina fa ...
Lazaina fa tia ny tanindrazany .
Ireo nihevitra fa azy irery...;
Azy irery hono i Madagasikara!
Madagasikara efa lany remby .

Koka ny tontolony
Naondrana ny voliny
Ankarihary hoy ianao ;
Tsia ! Antsokosoko mantsy...,
Naondrana avokoa ireo harena sarobidy ,
Hatramin'ny zaza nobeazina tsy hita izay nalehany .
Potika ilay Firenena nambara tsy handohalika...,
Firy taona mantsy izay , firy taona e!
Jereo ny Firenenao ry Aina sombinaiko
Fa mihenahena feno trosam-pamoretana .
Trosa holovain'ireo taranakao sy ny dimbinao rehetra


10.01.2003 Raphaël Spartacus
Nohavaozina androany 01.08.2024 . Ampandrianomby . Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Tanindrazana
100 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1806