FANTATRAO VE! (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fantatrao ve !

Misy olona miasa eny an-dalana,
Fa misy koa manao asa tsy fahita firy.
Miresaka amin’ny aloka sy rivotra,
Toy ny manana tontolo hafa mihitsy.

Misy mpanisa orana amin’ny takariva,
Misy mpandoko nofy amin’ny alina.
Misy mihaino ny feon’ny mangina,
Ary manoratra ny tsiambaratelon’ny lanitra.

Misy miasa amin’ny fotoana tsy hita,
Toy ny mpanangona tsiky very.
Misy mpanamboatra fanantenana,
Na dia amin’ny fo kivy aza.

Hafahafa hoy ny olona, fa asa ihany,
Satria samy mitady ny lanjany ny tsirairay.
Fa angamba ireo asa tsy fahita firy,
No tena manome loko ny fiainana.

Misy lehilahy miasa mpanenona nofy,
Fa tsy mahazo karama fa torimaso
Misy vehivavy mpivarotra ny tsikiny,
Fa indraindray izy ihany no tsy mihomehy.

Misy mpanamboatra orana amin’ny fahavaratra,
Fa adinony foana ny mamono azy rehefa be loatra.
Misy mpitily aloka amin’ny atoandro,
Fa very asa rehefa maizina ny andro

Misy mpanisa vorona eny an-danitra,
Fa rehefa maro dia very kajy hatrany.
Misy mpamafa alahelo eny an-dalana,
Fa indraindray ny azy ihany no tsy voafafa.

Hafahafa tokoa ireo asa rehetra ireo,
Fa mampihomehy sady mampisaina.
Fa amin’ny farany angamba,
Isika rehetra dia samy “miasa hafahafa” ihany

30.04.2026 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
19 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0123