ANGAMBA TSY HADISOAKO ( ALBUM : ALOKA SY TSIKY ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANGAMBA TSY HADISOAKO

Ray o! henoy ny fivavahako
Izay kely ao anatiko
Ny fahotana tsy nambarako ;
Tsy noho ny tahotro...tsy sahiko .

Nangovitra aho , tsy noho ny inona
Ireo didy folo tsy tanterako .
Hanenina aho angamba ...,
Rehefa tsapako ny ditrako .

Ianao ry Ray ahalala
Ny ato am-poko tsy hay afenina ;
Ka zakaiko izay anjara .

Mavesatra ny ziogako
Mangeja ka tsy tantiko ;
Ray o! Angamba tsy ho hadisoako .


10.11.1998 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
135 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1675