ANJARANAO = album sangodina : Raphaël Spartacus (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ANJARANAO

Iza moa ilay Nahary
Sy namorona ny tany ?
Moa tsy Andriamanitra ....,
No nampisy ny fisiana .

Tsapako ary ekeko koa
Fa raha tiako ho finaritra ny saina
Tiako hanjaka ato am-poko ,
Ny fiarahana madio katsahiko .

Dia fenoiko angolan-kevitra
Ny tontolo izay nosainina
Am-poneniko ao ny fihavanany ;
Izay takiana mba ho tiaviny

Fifankatiavana , fifanajana
Fahamarinana sy fifandeferana
Ireo ilay toetra tiana hananana ;
Raha te ho feno fahasambarana .


04.05 . 1995 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
72 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0315