NOSETRAINAO (NY Andri-Fara)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOSETRAINAONifamahofaho tao an-tsaiko
Ny alahelo ny tomany .
Ny hafaliana izay nandalo ;
Narahan'ise kalo ivaiva,
Fony isika nankalaza tsiaro
Tsiaro anaty fahanginana .
Nisy nihevitra fa izaho
No nampisy fijaliana
Teo anivontsika telolahy ;
Niaritra ny onjan-dranomasina
Tsy fantatra hoe tafita .
Faniriana ny ho tafita
Ary koa ny hifankatia .
Tsy hisy hanembatsembana ,
Kanjo , vao nisosa moramora
Ilay lakam-pitolomantsika !
Dia gaga aho , fa rendrika sahady .
Rendrika sahady
Satria nahoana ?
Fantatro fa na hikiaka !
Hikaroka , hampahafantatra ,
Izay niavian'ny fisarahana ....,
Dia izao : " Nasetrinao"
Nasetrinao anay ny mafy
Ny fisarahana mangidy
Hany sisa nitolomako
Hiantso anao rafahafahana
Firaisan-kina no tadiavina ;
Fisarahana no hita .
03.09.1995 . Ny Andri-Fara
Avaradoha .
--------
Rohy:
Sokajy :
Alahelo - Eritreritra mandalo
Mpakafy:
SANAKERIB