FENO HAIZINA (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FENO HAIZINA
Hafahafa izany vanin'andro izany
Sa izaho mihitsy no tsy maharaka !
Izay jerena maha fanina....,
Mankaleo sangodim-panina .
Mandeha ianao mba hizotra...
Handeha fiara fitanterana
Fa angaha misy te hahalala akory
Fa ao anaty fiara no mifoka sy migoka !?
Raha mba miteny ianao
Vono sisa no tsy ho azonao...
Mitenena ange eee...Mahazo miala izay no valiny .
Mifanenjika misongona mivilavila any an-kady
Olona no entina , angaha raharahiana akory .
Ny lalàna izay navoaka indrisy nampirimina
Ireo vola tambim-pandikana tsy hita nanjavonana .
Izay ilay haizina manarona
Haizina hanarona satria ny hita toa tsy hita
Mameno ny tanàna henika adalana .
Ireo mpitandro filaminana ....Hampilamina
Sa hamingavinga haka izay tsy anjarany .
Foana ny kitapo satria nisy naka izay hampidirina ...
Fokontany tsy milamina samy maka ho azy
Henika adalana mikorontana ny rariny ?
Izay ilay Haizina manarona
Haizina hanarona .

Ampandrianomby ; 12.03.2024 = 10H Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
85 3
Mpakafy: Tandrify12 - RIXAM - SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156