You are here: home > Vetso

FO MIRAY - NY Andri-Fara

FO MIRAY.
( Atolotro an' i TANTELY ANDRIANARIVO RABERANTO Fidson Dina, vady malalako sy ANDRIANARIVO Tantely Ialy Nofy Meva Miangoty, zanako tsy foiko.)

ALINA TSY NIOVA NO NITSIRY TATO AM-POKO
NANGETAHETA TAHIRIM-PAHATSIAROVANA ROA TAONA LASA IZAY.
NIFANKAHITA ISIKA KA NIRAY NY LALANTSIKA
DIA NIZOTRA HO AMIN'NY TSIAHIM-PANEMBONANA;
FENO TSIARO TSY HAIN-KOSEHINA LALAOVANA NY FIAINAKO RAHAVAKO
FA TONGA ILAY NIANDRASANTSIKA FIANGOTIANA IZAY NOFISINAO
AMPOKIN'NY FIFALIANA SENDRA TONGA OLON-TIANA.
ANKEHITRINY NA HO LAHY NA HO VAVY
IZAY HANAMPY AN'I MIANGOTY...NY AROVANA NO ANARANY;
HIARO NY TOKANTRANONTSIKA HAMPIRAY SY HAMATOTRA.
RY MALALA IZAY NOMEKO FAHASAMBARANA
TSY RESINAO NY FOKO
NY FISAINAKO
NY AMIKO REHETRA TSY HAIKO NA VOAFETRA,
FA NA IZAHO  NA IANAO DIA RESY LAHATRA
" ANJARA NY FITIAVANA" NAMPANDRESY HAMBOM-PO DISO TOERANA
TSY IZAHO NO NAMPANDRESY NY FITIAVANAO HO AHY
TSY IZAHO NO NANDOHALIKA MBA HO TIAVINAO
FA NY LALANTSIKA MIHITSY NO EFA IRAY SY TANJONA IRAISANA.
TADIDINAO RAHAVAKO INOAKO FA TADIDINAO MIHITSY
ILAY VOADY IZAY NATAO TENY AMBONY ALITARA...
FA NA MAHANTRA NA MALEMY TSY HAMPIOVA NY FITIAVANTSIKA.
IRENY REHETRA IRENY NO TSIAHY NITAMBERINA INY ALINA INY
ALINA NAMPIFOHA NY NAHITAKO ANAO VOALOHANY.

07/12/2009   NY ANDRI-FARA ( ANDRIANARIVO Fanomezantsoa RaphaĆ«l )

Hametraka hevitra

Midira aloha