INY FELANA INY (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
INY FELANA INY
Androany tsy nampoiziko
Ny hifanatri-tava aminao.
ka sanganehana ny foko...
Ny hilaza ny ato am-poko
kanefa vahotra ny vavako
Mangovitra ny tanako.
Toa vinitra sy tezitra
Hitako amin'ny endrikao...*
Nahoana anefa raha lazaina,
hoe tsy tia , dia samy vita.
Ambarao fa izay rehetra...
na tsy tanteraka
Tsy maninona! Avelao
kanefa izao no fiangaviana
Arivo iny Felam-boninkazo
izay nomeko omaly hariva...
Izay dia ampy
ka aza asiana teny intsony na arahan-dranomaso
Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1521 1
Mpakafy: Rapha
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149