IZAY NOHEVERINAO (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY NOHEVERINAO

Ireo voahary izay nohariana
Tsy noheverina halazo angamba .
Fa vokatry ny fahotana ;
No nahatonga fahalovana .

Ianao , isika sy izay rehetra hita
Ho levona avokoa ...Ho lo mandrakizay .
Ilay hany nantenaina , handao anao tsy hita intsony ;
Làlam-piainana mihitsy , tsy mantsy handalovana .

Tsy ilay mpahary no nanao kitoatoa
Na ny natiora no naka tsy niera akory !
Avy amintsika izany , nolotoina ny voahary ;
Hany ka nikorotana izy , lasa tsy voafaritra .

Mitombo ny hadalana , very hatramin'ny fananana
Na ny efa nodimandry aza tsy handry fahalemana .
Norobaina ny taolambalony efa any am-pasana ;
Very hasina ny razambe , natahorana taloha .

Ny lasa sy ny ankehitriny no namaritra ny hoavy
Saingy aiza izany mitahy ny fahiny .
Nodimbiasan'ny anio sy ny ampitso ...;
Reraka ny fahafahako nankato ny lasako .

Tsy fantatro hoe rahoviana
No hamaliana ny antsoantsoko
Torovana ny saiko hamaly hamoaka ny ato am-poko ;
Dia hangina ve! manoloana ny tsy ekena .



27 . 08 . 2024 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
57 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0611