IZAY TSY TIA ( ALBUM AINA NAFINDRA ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY TSY TIA

Toa vahotra ny lelako
Hiantso anao ho tiana .
Fa ny foko mitoloko ,
Noho izaho tsy notiavina .

Mahagaga fa ny tia
No hany zary mankahala .
Ka ny sentom-panembonako ;
No nadevona ny fahatsiarovako .

Izay tsy tia no mila tiavina
Ka ny tiavina tsy tia !
Tsy maninona raha miala .

Fa ny ahy ; tiako ho fantatrao
Izay tsy tia no tiako ho tiavina !
F'izay no tena fahasambarako .


25.07.05 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
63 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149