KRISMASIM-PANDRESENA ( ALBUM NOFY SY TAMBERINA ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
KRISMASIM-PANDRESENA

Azafady kely tompoko
Fa hisy zavatra ho ambarako .
Ka henoy izay lazaiko ,
Amin'ny fo tsy miambahamba ;
He! jereo ny manodidina ,
Sy izay rehetra hitantsika
Ady lava , fifamonoana !
Fifosana , fifandirana .

Mba topazo maso ihany koa
Ireo voahary nopotehana
Raha izao ve no mitohy ,
Tsy ho faty ny taranaka !
Tsy hisy tsinona ny hanina ,
No an'ny ankizy tsy maninona
Hizaka izay anjarany ,
Noho ny ditran-dray sy reniny .

Ka izao re no hafatray
Fiangaviana tsy hisy tambiny .
Tsy amin'izao Krismasy izao ;
Fa amin'ny andro mbola iainana ,
Dia izao no hatakay
Tsotra nefa saro-tanterahana ,
Aza asiana romoromo , gidragidra !
Aoka mihitsy tsy hifamono .

Saika adinoko rahavana
Matoa tsarovana Jeso zaza ,
Krismasy mantsy ny andro
Krismasinay ankizy , zaza indray ;
Dia indreto izay hiredona
Hihika ! angaredona...;
Teny roa izay natambatra
Mba ho Krismasim-pandresena !


16.12.2002 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
48 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167