LAVITRA ANAO ( ALBUM SANGODINA ) Raphael Spartacus (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LAVITRA ANAO
{ Miandrivazo 2001 . Tonony : ANDRIANARIVO Fanomezantsoa Raphael ; Feony : RAKOTONIRIANA MAMITIANA . TARIKA VETSON'NY FANAHY . FJKM ANDRAINARIVO FAHASOAVANA. ( COUTRY )

Jesosy Tompo o!
Ianao no Andriamanitro
'lay Zoky tia mpamindra fo ;
Sady mpanafaka .
Ankehitriny izao
Dia lavitra Anao ny fo
Ka rendrarendra , filana koa ;
Ka mahonena indray .

Fiverenana :
Raha lavitra Anao
Tsy hanadino Anao
Ry Zoky Tia x 2
Mpamela heloka
Satria izao mantsy
Te ho eo Akaikinao
Ka raiso aho Tompo
Sy izay fiainako
Manaiky aho Tompo
Hamboarinao
Manaiky aho Tompo
Ny ho zanakao
Mba ho irakao
Manaiky aho Tompo
Hiara Aminao .

Jesosy Tompo o!
Ianao no Andriamanitro
'lay Zoky tia , mpamindra fo
Sady mpanafaka
Ka fahoriana ve!
No handaozako Anao
Aiza Ianao fa ny foko
Resin'ny fiainana .
Famerenana .


Ny Andri-fara
--------
Rohy:
163 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716