LAZAIKO ANAO (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lazaiko anao…

Iny lalàna hizoranao marain-tsy hariva
Sy handalovanao mandavan-taona .
Miolikolika mahitsy sa tsy marina izany ?!
Iny no tsy maintsy hifanena raha hihaona …,
Saingy tsy ho tsiny raha toa ka tsy tafahoana .
Ity tany izay handalovana ity…,
Tanim-pahoriana kanefa tanim-pahasambarana
Fahoriana ho an’ireo tsy nahita hiantsampazana ;
Fahasambarana ho an’izay tojo izay niriny .
Hitraka ianao sahirana mamantatra…
Hiondrika ihany koa , toa malama izay diavina .
Fitiavana ?! nahoana kay no nisy fa tsy foana !
Tsy ho foana izany raha mbola eo ny tany sy ny lanitra ;
Vavolombelon’ny tantara , noforonon’ny Mpahary .
Lazaiko anao f’izao tontolo izao tsy voafetra no hitsara
Fa ny fiainana mazana herisetra-pahavalo te handavo .
Ireo tontolo hita maso na ny tsy hita hiaran’ny ankaso ,
Izany no mampifamatotra ny aina amin’ny fanahy ;
Ka izay rehetra nivarotra ny fony nanakalo haitraitra !
Nanimba fihavanana…Nanova ny tontolony ho simba ;
Fa lazaiko anao , ho rava izao tontolo misy izao .
Tsy hisy tafajanona eto na ny tsara na ny ratsy…,

Na mahantra na ny manana , tsy maintsy handao ny tany .
Lazaiko anao , fa tsy hamidiko ny foko … ;
Raha mbola misy alahelo ilay antsa tsy nantsaina ;
Dia aza mitomany na koa hisento lalina .
Avelao izany ho any ; Avelao ary aza manontany akory ;
Fa mola misy tia anao any …Tia anao saingy tsy ho hitanao…
Iray ny lalana saingy samy manana ny hizorany .
Ianao mandroso mandroso hatrany ;
Izy kosa mandroso saingy toa mihemotra tsy hita fiafarana !.
Fitiavana ! toa anao koa ny fony marary saingy tsy ho tsininy
Lazaiko anao , kanefa aoka ihany
Ny fahoriana hitanao androany , mbola hitanao rahampintso
Fiainana izany ; tsy azonao sakanana , tsy azonao tohanana .
Aza manontany akory , fa ny aloka sy tsiky no tsiky sy tamberina ;
Amin’izay rehetra ato am-poko sy ato an-tsaiko …Ahy irery .
Sangodina ny fiainana kanefa tsy hahafanina hitrako hatrany ;
Tsy hampiferinaina na hadrotsahako tomany ka hampijaly izato foko
Ampy nahafantarako ny diarinao , ilay diam-penina voasoratra ;
Mahaiza manadino ireo mpandratra ny fitiavana nivarotra fanahy .
Izay ilay soratro miteny aza tsiny raha nasiaka…izay ny fahafahako !


Ny Andri-Fara 09.01.24
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
216 2
Mpakafy: SANAKERIB - hery
Hevitra mandeha
SANAKERIB ( 05/02/2024 09:09)
VALIN-KAFATRA HO AN'NY ALY NOFY
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153