MBOLA KELY ( Album AINA NAFINDRA ) (NY Andri-Fara)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA KELY( Tononkalo iray hitako sendra teny an-dalana...efa rotarota no tsinjoko ka natambatambatro )
Anananao ny bika sy ny endrika
Ny tontolonao rehetra , dia hita fa mendrika
Ny fahitako anao , dia ianao anjely ,
Saingy hoy aho hoe , mitandrema fa ianao mbola kely
Aaza dia maika ny hanao Fitiavana
Hajao ny tenanao , ataovy ho fitaratra
Mbola kely ianao mantsy ka tsy hanafenana ,
Aza adino lalandava fa aoriana ny nenina .
Ianao ilay voninkazo haingon'ny tanĂ na
Mbola kely ianao , nefa tsy azoko rarana
Tsy andefa tsikitsiky ho amin'ny tany ;
Tsy ho ferako mihitsy fa ao aminao ny mamy .
Fitiavana mitsiry...
Fa anao ny safidy
Ka mitandrema sao solafaka ;
Izay no hany mba hafatra .
Izaho mantsy raha miteny
Tsy hoe tsy fitiavana
Izaho tsy amelanao irery ,
Izaho 'lay atao hoe : " Namana"
Janoary 2005 EMBONA MIKALO
( Nohavaozin'Ny Andri-Fara , ary nohatsarainy , tamin'ny Alakamisy 26 Janoary ; tamin'ny valo ora alina sy telopolo minitra sy folo segodra .
--------
Rohy:
Sokajy :
Fahatsiarovana - Eritreritra mandalo
Mpakafy:
SANAKERIB