MBOLA MISY VE ! ( ALBUM ALOKA SY TSIKY ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBOLA MISY VE !

Fano a! azafady ange ianao ?
Fa te hiresaka aho mikasika ny Firenena .
Tsy izany manko , fa tiako ho fantatrao ;
Mbola misy ve ny fahafahana ?

Gaga aho satria mbola misy ihany
Ny mijaly sy fadiranovana ,
Miraoka fakofako , mitady izay anjarany ;
Eny an-jaoridira sy ny tatatra .

Jereo ny Renivohitry ny Firenena
Loto mahatsiravina , henika tanàna ;
Ataoko fa henatra ho an'i Gasikara .

Fano a! misikina hery leitsy !
Jereo ity Nositsika ity mitoreo...,
Izany sombinaiko .


24.03.1996 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
117 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1319