Na mafy aza (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na mafy aza

Tompo o! indreto izahay
Hisedra sy hankatoa ny teninao.
Vonona ny hitory....,
Hijoro ho vavolombelona .

Na dia mafy aza ny adim-panahy
Na inona hitranga , tsy hampanahy ;
Tsy ataonay mahakivy ,
Tsy maintsy mandroso f'izay no didy .

Tompo o! na aiza na aiza no aleha
Na aiza na aiza hanirahana ...?
Na fisedrana miandry !
Na eo 'lay ratsy , tsy hampihemotra .

Ny fanoloran-tenanay
Hanompo Anao mandrakizay....!
Tsy hanan-tahotra izahay ,
Satria Ianao mpiaro anay .


13.12.2006
--------
Rohy:
Sokajy : Ahy - Fitiavana
85 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149