NAHOANA NO MIJALY ( ALBUM : AINA NAFINDRA ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NAHOANA NO MIJALY

Tovovavy kely iray
No indro mitomamy...,
Fa tsy nahita ho hanina ;
Nandritra ny tontolon'ny alina .

Jereo ange 'ty izy
Mahonena sy mijaly .
Fako no sakafony !
Namelomany ny tenany .

Dia indro tovolahy nandalo
Nizotra sy nankeo aminy...,
Mba hanolotra fitiavana ;
Madio mangarangarana .

Sadaikatra izy
Ka nanda avy hatrany ,
Tsy mendrika ho tiavina...;
Satria fitiavana mahantra .

Nahoana no mijaly
'ity foko tsy mahay mamaly !
Nahoana no niangarana ?
'lay fitiavana natolotra .

20.12.2001 Ny ANdri-Fara
--------
Rohy:
274 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2954