NANORATRA IZY ( ALBUM ALOKA SY TSIKY ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NANORATRA IZY
{ teo am-pijerena ny tononkalon'i Haingo : " HANORATRA AHO " ny 01.05.1983 )

Telo amby folo taona lasa izay
Tsaroako tsara mihitsy...,
Fa tsy izaho no namorona ;
Na ny sofiko nandre !
Fa ny masoko nahita ,
Ilay amboara nosoratany .

Nanoratra izy...,
Fa ny fetra dia ny ainy .
Io no asa nifotorany ;
Nitrandraka hampivoatra ,
Ny asa soratry ny fiainana;
Iainany , iainanao isan'andro,
Iainan'ny rehetra , iainantsika izao .

Nanoratra izy
Hampihoitra , handrisika
Hamelona , hanavotra ;
Ho an'ireo mahantra sy kamboty ,
Tsy nambinina..Nitanondrika !
Hita ho nivari-lavo .

Nanoratra izy...;
Ka nanafatra aoka izany .
Fa aoka hitraka !
Hitsangana , hiarina ;
Handeha hiady
Hitolona hikiry !
Mba hitady fandresena .

Nanoraytra izy saingy...,
Toa minia mikipy izay nijery
Niandry aho . Tsy izaho irery ,
Fa ireo namako nanoratra !
Manadroandro ny tsy marina .

Nanantena ihany koa
Fa ho tafita ny hafatra
Ka telo amby folo taona ...;
Aty aoriana ....Indrisy...!
Fa masina ny soratra .


20.03.1996 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
173 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1302