NISETRA ( ALBUM AINA NAFINDRA ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NISETRA
Mbola reko ato anatiko
Ny Fahoriana izay niainako .
Nandritra ny androm-piainako ;
Mafy ka tsy laitrako .

Nizaka izay tsy zaka
Terena mba hanaiky !
Vesarana ny vesatry ny banga ?
Ny tontolon'ny tsy tiany .

Reko nitaraina...hiram-betsovetso
Ato anatiko mangina ...feno sento ;
Ity foko manirery , akaikin'ny ankaso ,
Manoloana ny tantarako .

Tantara iray izay nahatsiarovako
Fa tsy nisy 'lay hany mba nitsetra .
Noho ny fahavoazako...;
Ny ngidin'ny tontoloko...nisetra .

Nisetra ireo hany mba nisetra
'lay bandy kely mafy ady .
Nisedra ila saika navalon'ny tantara ;
Aiza ihany..., nefa indrisy !

Angamba ..., lasa 'lay malala nitomaniana
Dia hijanona ny fitolomako an-tsento ;
Ho any aho...ho any mihitsy ,
Tsy hiresaka fitia , hanao veloma anao .

Ho faranako ny tsiahiko
Hampanginiko ny feoko .
Halaviriko ny alahelo ;
Veloma ianao 'lay malalako .



Vohitry ny malalako 20.12.05 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
40 2
Mpakafy: SANAKERIB - Njakahery
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1329