ONENA ANAO NY FOKO ( ALBUM SANGODINA ) Raphael Spartacus (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ONENA ANAO NY FOKO

Tompo o!
Impiry aho no niandrandra
Taminao Fahiny !
Fa maro ireo mahantra
Tsy mahita ny anjarany...,
Fa feno fijaliana mantsy;
Ilay mba ankany keliny .
Tsy mba misy mpanontany
Dia ny fako no sakafony...;
Baoritra sy gony...,
No mba hany tranony .
Eny amoron-jaoridira ,
No misy ny fonenany .

Onena anao ny foko
Ry malagasy namako .
Onena anao ny foko!
Ry Afrika rahalahiko,
Onena anao ny foko ,
Ry Eoropa sy Aazia
;Dia maro ireo mahantra
Izay mihanaka eran-tany .


07.03.1983 Raphael Spartacus














n
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Aingam-panahy
112 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1642