RASOUELLAH - NY Andri-Fara
Azo vakiana?
RASOUELLAH
Indray takariva izay
Diavolam-penomanana ny andro,
Dia nitsangantsangana aho....
Hanala fahanginana nilaozan'olon-tiana.
Nibanjina avy lavitra
nanatona ity toeram-pivarotana..
Mamofompofona fitiavana;
Fitiavana tsy ho lavitry ny ankaso.
Nanatona hanatona tsy sahy
Toa sanganehana eo am-pahitana;
Tovovavy kely miramiran'endrika,
Malagasy toa Vahiny.
RASOUELLAH! miendrika karana
Saingy Malagasy ray sy reny....
Ka ny foko hamboraka fitiavana;
Indrisy fa tsy sahy niteny.
Nobanjinin'ny maharitra ny foko nahonena
Ka tsy sahiko nambara izay rehetra noekeny.
Ny tsiky izay niantefa tato am-poko;
No toa ranovelona namafa ny toloko
RASOUELLAH.....Iza ianao?
Sa ilay hitako isan'alina amin'ny nofiko..
Betongolo 13/10/2009 NY ANDRI-FARA
Mombamomba
Mpanoratra : NY Andri-Fara
Nampiditra : RaphaDaty : 15/10/2009
Mpamangy : 1692
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
FO MIRAYIANAO NO TIAKO
TSY RARINY
MANDRAM-PAHOVIANA!
MISY VE NY FAHAFAHANA
REHEFA EO IANAO
NA RINDRA
IANAO
AVELAO
RAHA TOA...