REHEFA TSY HITENY (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA TSY HITENY

Angaha moa io vavanao mipetsipetsina
Tsy misy fiafarana mandrera-tsaina ;
No hampiadana ny Firenena...;
Dia i Madagasikara !

Fa sao heverinao aza fa tsy misy mahalala
Ny ao ambadiky ny hadalana...;
fanaonao isa-marain-tsy hariva ,
Hanakonana ny marina ?!

Mihevitra mantsy ianao
Fa tsy misy mahalala izay ataonao ?
Any ambadibadik'any lavitra tanàna ,
Ka ianao indray no milaza tsy hita ho lazaina .

Za tsy moana ...Tsy miteny fotsiny
Ka rehefa hoe,ianao no tompon'ny vava !
Dia hampinginanao ny fahanginanako...;
Rehefa tsy hiteny hoy ianao .

Tsarovy anefa...Tsarovy foana
Fa i Madagasikara mbola hitraka !
Tsy handroso hihemotra intsony ...,
Ka ilay vava tsy ambina , hangina tsy hiteny .

Ny ahy ny fibanjinako ny ho avy
Ato am-poko...Rehefa tsy hiteny
Ny harerahako , ny hanohanako ...,
No hampahamenatra ny hendry .

Fantatrao...Na azonao azy izay tadiavinao
Tsy misy hiraharahako izany ...,
Ny ahy tsy toerana na voninahitra !
Ampy ahy...Rehefa tsy hiteny .

Rehefa tsy hiteny...Iza no hampangina ahy
Izaho izay tsy moana ...Nampanginina tomany ,
Navangogo ho an'izay malama vava ny fahefana ;
Hamotika ny valalabemandry tsy indray nifoha .

Rehefa tsy hiteny...Aleo aho hilaza ihany
Ireo tsy rariny eto an-tanindrazako...,
Angamba ampy izay...Kanefa resy ihany
Ireo malama vava nanimba izay nitolomako .



07.02.2025 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
109 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.284