ROTSY ( ALBUM SANGODINA....Raphael Spartacus dit Andrianarivo F Raphael (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ROTSY
Niezaka aho hanadino
Ireny lasa tsy azo haverina .
Niezaka aho ny tsy ahatsiaro ;
Ny tantarako mitady hitamberina .

Nofoanako ny tsiahiko
Izay mitady hanelingelina .
Kanefa iza ? Iza no handao ;
An'ity mahantra tsy hiverina .

Fony mbola nianatra aho
Tsy hitako ny fahalalana .
Tsapako fa banga indray ny fahafahako ;
Ahafahako mitsapa fa hay izaho fandiranovana .

Dia nieritreritra aho
Nalefako any ho any ny tantarany .
Nifangaro tamin'ny tantarako ,
Ka sento sisa , hany nitomany .

Tsia ! Nahoana ianao ry lahatra
No minia tsy mahafantatra...,
Novesaranao ankaso ilay mahantra ,
Ka indro nifotetaka niangarana .

Indrisy mantsy...! Hoy ianao
Aiza intsony no atao ????


04.01.03 Raphael Spartacus
--------
Rohy:
173 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0475