SEHATRA HAFA ( ALBUM SANGODINA ) Raphael Spartacus (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SEHATRA HAFA

Tany aho...Tany....tany
Nizotra ho amin'ny fahafahako
Tsy nikely soroka aho ,
Satria , ady hono ny fiainana .

Niezaka aho
Nikaroka ny fahafahako
Nahoana ary fa tsy fantatro ;
Ho an'iza kay ny fahafafako .

Nobanjiniko ny làlako
Nideza ka tsy afako ,
Toa tsy misy ilay mpanavotra ;
Ho an'ny resy lalandava .

Resy , ekeko...
Noho ny fahantrako .
Any ho any tsy azo lavina ,
Fitia iray handresy lahatra

Handresy lahatra
Ny tontolo tsy voabaiko
Mba hahafahako manozongozona ,
Hiaky fa tsy rariny .

Tsy rariny....,
Satria nahoana ?
Ireo vahoaka an'alin-kisa ;
No mijaly mahonena .

Mangataka , mitsindroka
Tsy ampy fivelomana
Ny vidin-katsebohany aza ;
Handatsahana , hangalarana .

Izany ve no fahamarinana
Nosandaina rà mandriaka !
Nitolomany tsy ferana ;
Heritaona garandina .

Naleoko ihany
Rojo vy namatotra .
Fanandevozana tsy ferana ,
Fanjanahana no fetra .

Sehatra hafa...,
Sehatra hafa !?
Iza indray no hiseho hanavotra ;
Izaho angamba ...

10.05.1995 Raphael Spartacus
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Tanindrazana - Ahy
108 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145