TAPAKA NY JIRO (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TAPAKA NY JIRO

Noheveriko fa variana ianao
Ka tsy mahafantatra ny tiako ambara .
Ny zava-nisy sy tsy misy...,
Ireo ihany no tiako ho am-pitaina .

Rehefa tapaka ny jiro
Dia tsy misy koa ny rano.
Raha ny rano no tsy misy ;
Dia tsy misy koa ny jiro .

Isika mihevitra tsy diso
Kanefa izao no tadidio …,
Nosimbaintsika ny tontolo ;
Levona ny zava-tsoa avy aminy .

Tapaka ny jiro
Simba ihany koa ny fihariana .
Tsy misy izay tsy mimenomena !
Voretra avokoa ve ny Gasy ambany ?

Dia sondriana isika miady
Hiala amin'ny tsy rariny .
Tapaka ny jiro , tsy misy koa ny rano ;
Maizina ny trano , tsy mianatra ny ankizy .

Aoka izay ny adilahy
Andao hiray , hiavotra...,
Hanaja ny tontolo , hanolotra soa ;
Dia tsy tapaka ny jiro , hisy koa ny rano .



14.10.2024 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
20 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2166