TATAMO ( Album ALOKA sy TSIKY ) (NY Andri-Fara)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TATAMO
Ianao ve 'lay teo anilan'ny kamory
Fa ny foko indray andro izay ...;
Nanjary lasa oriory , teo am-pijerena anao
Ka tsy tana ny tanako nanongotra anao .

Manina aho
Manina anao
Rehefa injay mibanjina ireny Tatamo .

Indrisy rehefa nongotako
Nialako nenina...
Tsy nety nivelatra intsony ;
Fa maty teo anilan'ny sariko .

Nahoana r'ilay voninkazo nalaky nalazo ?
Tondrahako foana nasiako rano !
Nokolokoloiko nokarakaraiko ,
Kinanjo tsy nisy hafiriana dia maty ..

Maty..F'izay no lalàm-piainana
Tsy maintsy lalovan'izay manan'aina .

21.04.05 Ny Andri-Fara
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
51 1
Fans: SANAKERIB
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0158