TEO AM-PAHATONGAVANA ( ALBUM AINA NAFINDRA ) (NY Andri-Fara)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TEO AM-PAHATONGAVANA

Dia iny ianao fa nizotra moramora
Nanarak'iny moron-dranomasin'iny .
Nanitsy hatrany...tsy fantatra ho aiza ;
Miramiran'endrika sy falifaly aok'izany .

Tonga ianao...Nanolona ilay akany
Nibanjina ny faravodi-lanitra iny ,
Dia nikoriana teo ilay hany ranomasonao ;
Fa any misy tiana...Tsy nitia anao .

Angamba vetso-paniriana
Tahak'ahy...Lasa olon-tiana;
Teo am-pahatongavana...,
'lay vetsovetsonao nahafanina .

Niantso ianao...tsy izao no anajara
Kanefa dia niainanao ny fijaliana .
Lahatra nanjavozavo angamba ,
Hoy ianao no nizorantsika .


10.11.1999 Ny Andri-Fara
--------
Rohy:
110 1
Mpakafy: SANAKERIB
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1267